<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>TOMPO LEHIBE ASAFA21</title>
<lyrics>[V1]
 Lehibe indrindra, mahery indrindra,
 Ianao ry Tompo ô!
 Mitafy voninahitra sy famirapiratana,
 Nihavian'izao rehetra izao
 Sady mihazona azy,
 Ny vokatry ny Asanao no manome aina.
 Miboiboika ny loharano eny an-tsaha,
 Ny tsio-drivotra mitsoka malefaka,
 Ianao no nampisy izany.
 Fiv. Deraina anie ny Tomponay,
 Tsy misy ny toa Azy,
 F'Izy nanao asa lehibe, mifalia re!
 2-Mihelina ny andro iainantsika,
 Toy ny aloka,
 Toa zava-poana ny tenantsika
 Mbola ho vovoka,
 Tsy misy olona mahalala
 Ny andro hahafatesany,
 Na manana hery hahatana ny ainy.
 Nefa Jehovah, miaro antsika tsy ho faty.
 Be fitiavana, manan-kery mahagaga,
 Izy no fanantenana.
 Fiv...</lyrics>
<hymn_number>21</hymn_number>
<author>Faly Henintsoa RAFIDIMANANA</author>
</song>